Genesisy
Milaza ny Baiboly fa noforonin'Andriamanitra ao anatin'ny 6 andro monja, 6 000 taona lasa eo ho eo, izao tontolo izao sy izay rehetra misy aminy. Milaza koa ilay izy fa roroa iray monja, izany hoe Adama sy Eva, no razantsika rehetra. Milaza koa ilay izy fa nisy tondra-drano goaibe (izay antsoina hoe Safo-drano) izay nirakotra ny planety iray manontolo ka nahafaty ny zava-manan'aina rehetra manana fofon'aina amin'ny vavorony, afa-tsy ireo izay tao anatin'ny sambo ngeza be (izay antsoina hoe Sambofiara) izay namboarin'i Noa mianakavy.
Noforonin'Andriamanitra mba hanana fifandraisana Aminy, fifandraisana izay lalina dia lalina indrindra sady difotry ny fitiavana. Kanefa rava izay fifandraisana izay rehefa nanota i Adama sy Eva tany Edena, ary nanjary nanana toetra maha-mpanota isika taranany. Tamin'izany fotoana izany koa no niandohan'ny fahafatesana. Nohon'izay dia nanome ny fiainany hisolo voina antsika ka hanefa ny trosa ananantsika amin'Andriamanitra nohon'ny otantsika i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra. Nitsangana tamin'ny maty Izy mba hanaporofo ny mah'Andriamanitra Azy sy ny fandreseny ny fahafatesana Izy, ary niakatra any an-danitra. Afaka mandefa ny Fanahy Masina avy any Izy mba hanolo ny toetra maha-mpanotan'izay miaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ho toetra masina mahavita manao ny sitrapon'Andriamanitra Andriananahary. Mbola hiverina avy any Izy hitsara ny velona sy ny maty ary hanorina ny Fanjakany amin'izao tontolo izao izay haharitra mandrakizay.
Ny fotopisainan'ny evôlisiona indray dia milaza fa voaforona amin'ny fomba kisendrasendra 15 miliara taona lasa, tamin'ny alalan'ny Big Bang, izao tontolo izao, ary sangondin-jaka mafana manodidina ny Masoandro no nipoiran'ny Tany, 4,5 miliara taona lasa izay. Mikrôba amin'ny fanambanin'ny ranomasina izay nipoitra ho azy nohon'ny fiota simika kisendrasendra 3,8 miliara taona lasa no niteraka trondro, izay niteraka amphibiens, izay niteraka biby mandady, izay niteraka vorona sy biby mampinono, amin'ny alalan'ny sampona izay nahazoany tombontsoa tamin'ny tontolo iainany ka nanova tsikelikely ny endriny. Tao anatin'ireny biby mampinono ireny dia nisy karazana voalavo izay niteraka rajako izay niteraka olombelona.
Niseho mandritry ny tapitrisa taona tsy tambo isaina ny aretina, ny fijaliana, ny fandatsahan-dra ary ny fahafatesana. Tsy misy ny andriamanitra, tsy misy antony ny fiainana, tsy misy ny hery izay manana tanjona. Tsy misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Rehefa ho faty aho, azoko antoka tanteraka fa ho faty tokoa. Tapitra hatreo ny amiko. Tsy misy fotony tena izy ny fitondran-tena, tsy misy dikany ny fiainana ary tsy manana fahafahana misafidy koa ny olombelona.
Mazava loatra fa faran'izay mifanohitra ireo fitantaràna roa ireo. Maro dia maro ny olona izay mihevitra fa marina ny fotopisainan'ny evôlisiona ka na manary tanteraka ny finoany kristiana, na amboamboariny mba hifanaraka amin'ny fotopisainan'ny evôlisiona, hany ka tsy hita izay mampiavaka ny fiainany sy ny fitondran-tenany amin'ny fiainana sy fitondran-tenan'ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra. Anisan'ny anton-dehibe mahatonga an'izay koa ny tsy fahaizan'ny namany sy tapany ary ny mpitondra fivavahana hamaly ny fanontaniana apetrany momba ny Baiboly, fa valiany biraingina hoe "Minoa fotsiny ihany", kanefa tsy mba izay no didian'ny 1 Pet. 3:15 sady tsy mahavaly inona na inona izay.
Hita ombieny ombieny manodidina antsika ny vokany : halatra, vaky trano, vono olona, fanolanana, fijangajangàna, fisolokiana, kolikoly, fanaovan'ny mpitondra tsindrihazolena ny vahoaka, ary koa génocides.
Ka ny aiza amin'izy 2 no marina ?
Ity blaogy ity dia natao mba hanampiana ny kristiana rehetra, na inona na inona fireham-pinoany, hanana fomba fijery an'izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ny tenin'Andriamanitra ka ho "vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana" (1 Pet. 3:15). Finoana ara-pisainana tokoa ny finoana kristiana, mifanandrify amin'ny zava-misy, ka zava-dehibe loatra ny tsy maintsy ifotoran'ny finoantsika amin'ny zava-misy mba ho mafy orina.
Ho hitan'ny mpamaky ao anatin'ity blaogy ity ny valin'ny fanontaniana maro tahaky ny hoe :
- siansa marim-pototra ve ny fotopisainan'ny evôlisiona ?
- Mahavita manazava amin'ny fomba mitombina ny niandohan'ny zava-manan'aina sy ny fizotra hita amin'ny voary rehetra ve ny fotopisainan'ny evôlisiona ?
- Inona no vokatry ny fotopisainan'ny evôlisiona amin'ny fomba fijerin'ny olona an'izao tontolo izao ?
- Mba misy fomba azo ampidirana tapitrisa taona anaty Baiboly ihany ve ?
- Inona no azontsika kristiana atao eo anatrehan'izay ?
- Inona no fifandraisan'ny fotopisainan'i Darwin amin'ny vonomoka mahatsiravina tamin'ny taon-jato faha-XX ?
- Misy ve ny porofo fa tsy angano ny Safo-drano ?
- Azo azavaina amin'ny fomba ara-tsiansa ve ny Safo-drano ?
- Vitan'olombelona tokoa ve ny manamboatra sambo hazo mitovitovy habe amin'ny Titanic ?
- Omby anatin'ny Sambofiara ve ny biby rehetra ?
- Nisy ihany ve ny dinôzôra raha 6 000 taona monja izao tontolo izao ?
- Mifototra amin'ny zava-misy ve ny teôria momba ny evôlisionan'ny dinôzôra-zary-vorona ?
- Efa nisy nahita sisan-dinôzôra mbola manta ve ?
- Inona no nahalany tamingana ny dinôzôra ?
- Miresaka momba ny dinôzôra ve ny Baiboly ?
- Niara-nivelona ve ny dinôzôra sy ny olombelona ?
Fanantenako sy fikasako ny ahitan'ny mpamaky fahasoavana mitafotafo amin'ity blaogy ity ka hihamafy orina ny finoan'ireo izay mipetra-panontaniana ary ho voataona amin'ny finoana kristiana ireo izay mbola tsy nandray an'i Kristy ka misalasala.